Diakona - Diacres

FIKAMBANAM-BEN' NY DIAKONA

         Faly miarahaba anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo izahay.

         Amin'ny maha mpiara-miasa akaiky ny Diakona amin'ny Mpitandrina dia isany iray amin'izay imasoanay ny hanampy anao mba ho tsara fifandraisana hatrany amin'ny Tompo, amin'izao làlana fanarahana Azy izao, fa ho indrindra Izy

 

" Mifankazara amin'ny Tsitoha hianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan'ny soa aminao..."Joba 22:21-23            

        Tsy  voafetra noho izany eo amin'ny asa fanompoana eo am-piangonana ny asan'ny Diakona fa mifanampy indrindra eo amin'ny fitaizana ara-panahy ny mpino ihany koa.

        Voafaritra tery amin'ny fotom-pinoana hijoroan'ny Fiangonana FPMM-Ziona, izahay Diakona dia vonona ny hiara-hiasa amin'izay rehetra vonona hampandroso ny fanjakan'i Kristy, mandray an-tanandroa izay rehetra mila fankaherezana sy vavaka, famangiana an-tokantrano, na ivelan'ny Fiangonana aza raha maniry ianao.

        Ny fandrosoanao ara-panahy no fanirianay.

                                                        

                                                  Ho tahian'ny Tompo ianao

Hoy ny Tompo:

"

TSY IANAREO NO NIFIDY AHY, FA IZAHO NO NIFIDY ANAREO"